Taorian’ny atsapaka nataon’ny OVEC hitondra ny laharana ny kandidà tsirairay avy eto amin’ ny distrikan’ Ambositra, dia samia niezaka ireo kandida ireo nangataka tsodrano amin’ireo ray aman-dreny eto an-toerana alohan’ny hampahafantatra ny momba azy ireo tsirairay avy sy ireo mpirai listra aminy, ka anisan’izany ny kandidà laharana faha telo Dera Tsihoarana avy amin’ny tsy miankina izay natao ny asabotsy lasa teo.
Notontosaina ny asabotsy faha- 23 marsa lasa teo, tao amin’ny fark Md Josefa’-Ambositra, ny fitsofan-drano nyI kandida faha 7 I David Exedy, kandidà solombavambahoaka natolotry ny Isika rehe tra Andry Rajoelina ho an’ ny distrikan’Ambositra sy ireo mpiray lista aminy. Tonga nanatrika an’izany ireo mpiara- manohana azy, ka anisan’izany ny antoko politika MMM sy ny vahoaka maro.
Anastase