- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Maty voatifitry ny polisy le Gena, jiolahy rain-dahiny

Antsirabe : Maty voatifitry ny polisy le Gena, jiolahy rain-dahiny

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy rain-dahiny antsoina hoe le Gena, mbola nahasahy nihantsy nanambana basy ny polisy sy ny fokonolona hisambotra azy izy saingy ny an’ny polisy no tonga aloha.

Ny harivan’ny zoma tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva no nisehoan’ny fisamborana tao Ampatana. Nitsoaka nandositra tany andranovisy le Gena vao nahatazana ny polisy. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana ka tao akaikina tanimbary hiazo any ampasambahiny le Gena no tazana. Tsy nitolo-batana izy fa mbola namaly tamina tifitra indray no sady  nihantsy hoe manatona izay sahy.  Namaly tamin’ny tifitra ny polisy ka teo no nahhavoa  ity jiolahy ity, maty tsy tra-drano teo.

Fantatra fa efa nokarohana hatry ny ela ity jiolahy ity, mpamerin-keloka izy ary efa nigadra teny Tsiafahy. Resaka fanafihana mahery vaika, vaky trano miharo herisetra teto Antsirabe sy fitazomana basy tsy ara dalana no isany nanenjahana azy. Efa ela no narahi-maso akaiky saingy tafaporitsaka hatrany noho izy tsy manana trano raikitra hipetrahana fa mifindrafindra matetika.

Mbola ao amin’ny tranom-paty Antsirabe ny razana hatramin’ny omaly, miandry ny havany haka azy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici