- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nijoro ny fikambanana TALE “Tanoran’Antsirabe Liam-pivoarana Entim-bahoaka”

Antsirabe : Nijoro ny fikambanana TALE “Tanoran’Antsirabe Liam-pivoarana Entim-bahoaka”

Niainga teo amin’ny vahoaka, tao amin’ny vahoaka ary hiverina indray eny amin’ny vahaoaka ny fikambanana TALE na “Tanoran’Antsirabe Liam-pivoarana Entim-bahoaka”. Izany no fanambarana nataon’ny filohan’ny fikambanana Atoa Rakotozafy Fredy Andrianiaina nandritra ny valan-dresaka nomena ny mpanao gazety teto Antsirabe, ny sabotsy lasa teo ; nampahafantatra indray ny fisian’ity fikambanana entim-bahoaka eto Antsirabe ity. Tsy manao politika ny fikambanana, fa tsy manakana ny mpikambana kosa hanao politika hoy ny fanazavana. Namafisina ihany koa, fa tsy misy idiran’ny entim-bahoaka tamin’ny andron’ny sosialista ny  fikambanana. Antom-pisian’ity fikambanana ity ny hijery ny vahoaka eny ifotony izany hoe miainga eny amin’ny fokontany,  amin’ny alàlan’ny fanaovana asa maimaimpoana hanampiana ny sosialim-bahoaka. Hijery ny asa eny amin’ny fokontany izy ireo na kianja izany na làlana na birao na izay mety ho fotodrafitrasa misy. Nohamafisina, fa maimaimpoana avokoa ny asa atao rehetra. Fanamby napetraky ny fikambanana ny hahavitana izany amin’ireo fokontany 60 mandrafitra ny kaominina Antsirabe ambonivohitra.

 Andry N

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici