- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Vehivavy mpandeha scooter maty voahitsaky ny kamiao

Talatamaty : Vehivavy mpandeha scooter maty voahitsaky ny kamiao

Tokony ho tamin’ny 12ora sy sasany, ny alatsinainy teo no niseho ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty olona. Ramatoa iray izay avy eny Ivato,  saika hihazo an’Ambohibao no niharan’ny loza teo Talatamaty.  Raha araka ny tatitry ny zandary, dia nisongona avy tao amin’ny an-kavamana ilay moto scooter. Azo heverina, fa tsy hitan’ny mpamily kamiao ny fitsofohany tao. Nitera-doza, satria voahitsaka ilay ramatoa. Mbola nisy aina kely ihany izy teo ary natao ny fomba rehetra izay mba hahatongavany haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Teny an-dàlana anefa, dia efa afaka ny ainy. Nanokatra fanadihadiana ny zandary izay miasa eo anivon’ny borigady Ankadindravola ary satria niteraka fahafatesan’olona dia isan’ny nohenoana voalohany ny mpamily ilay fiara lehibe.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici