Ny biraon’ny kaominina teo aloha efitra telo no efa simba satria efa tamin’ny taona 1996 no naorina,vita amin’ny hazo no handraisana ireo marary na mpiteraka any amin’ny kaominina Ambalaomby ao anatin’ny distrikan’ny Anosibe An’Ala; izay 90 km miala ny renivohitra,dia an-tongotra vao tonga any noho ny tsy fisian’ny lalana. Manana ny fiarahamonina mifehy azy ireo mponina ao an-toerana noho ny fisian’ny fanajana rafitra eo amin’ireo zokiolona sy ny mpitondra ao an-toerana. Taorian’ny fiaraha-midinika nataon’ny dokotera hany tokana any any an-toerana mahakasika ny foto-drafitrasa misy dia nitondra ny fanairana ny sain’ireo tompon’andraikitra ireo mponina ny hanampiana azy ireo amin’ny fanamboarana ny toeram-pitsaboana hoan’ny marary sy ny handraisana ny mpiteraka. Andriamatoa Nohela Maurice no nanambara fa hanolotra hazo miisa 300 ho fanarenana ny hopitaly raha toa ka efa nahavita ny tetezana izay efa nampikaika ny fokonolona antaonany maro niampy ny fanolorana efitrano roa natao hiasan’ireo zandary any an-toerana; izany no nataony dia noho ny fahatsapany fa ny fandrosoana dia miainga avy amin’ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay. manana fokontany valo ity kaominina izay tena lavitra indrindra ity ary zana-tanàna 14 izay mielanelana hatrany amin’ny 20 km. 90Km tsy tongan’ny fiara ihany koa vao tafavoaka any Ambatolampy Antsirabe raha toizany koa vao tonga any amin’ny kaominina renivohitry ny distrika misy azy.
Cathy