Nandriaka indray ny rà tetsy amin’ny toerana fiantsonan’ny taxibe tetsy Anosy. Ankizivavy kely iray, tokony ho valo taona no maty voahosin’ny taxibe iray teny an-toerana, tokoy ho tamn’ny roa ora tolakandro teo.
Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia handeha hijanona handray olona iny ity fiara fitanteram-bahoaka ity tamin’io fotoana io no nitranga ny loza. Tamin’io fotoana io no nisy irony ankizikely mpangataka irony nanaraka sisina fiara sy mitalaho amin’ireo mpandeha anaty fiara. Mbola tsy nijanona tanteraka anefa ity fiara tamin’izay. Voatosiky ny olona tsy nahy izy ary nianjera. Avy hatrany dia namantana tany ambanin’ny kodiaran’ilay taxi-be, izay mbola niroso ihany tamin’io fotoana io. Raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana dia tsy nijanona ity fiara ity raha tsy ny olona nahita ilay zaza potsitra voatetin’ny kodiarana no nihorakoraka. Nandriaka ny rà ary efa tsy nahatsiaro tena intsony ilay ankizikely. Teo vao taitra ny mpamily ary nivoaka. Izy nivoaka iny indray anefa no nitambaran’ny olona ary efa saika niharan’ny fitsarambahoaka. Nisy ihany anefa no niteny azy hitondra haingana ity zaza ity tany amin’ny hôpitaly. Zavatra hafa indray anefa teo no nitranga, raha ny vaovao hatrany, satria dia tsy nety velona intsony ilay fiara. Ilay mpamily no voalaza fa nitrotro ity zaza toa tsy nisy aina intsony sy nihoson-drà tanteraka, nihazakazaka namonjy ny hôpitaly teo akaiky. Indrisy anefa fa noho ny ratra mafy nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo pôlisy misahana iny faritra iny, ary nitondra ihany koa ilay mpamily nentina natao famotorana sy andrimaso etsy Tsaralalàna.
m.L