- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra - Hetsika Tanamaro : Namaly ny antso ny fikambanana vehivavy 08 marsa...

Ambositra – Hetsika Tanamaro : Namaly ny antso ny fikambanana vehivavy 08 marsa tamin’ny fametrahana asa maharitra

Toy ny renivohitrin’ny faritra rehetra sy ny tanan-dehibe rehetra manerana ny Nosy, dia namaly ny antso nataon’ny ministera ny serasera sy ny kolontsaina ny fikambanana vehivavy 08 marsa eto Ambositra sy ny vokovokomena amin’ny fandraisana anjara feno amin’ny hetsika “Tanamaro”.

Hetsika izay mifantoka indrindra tamin’ny fanadiovana an’I Antamponivinany, toerana an’isany sangany eto an-drenivohitrin’I Amoron’I Mania. Noho izy misy ny ankamaroan’ny sampandraharaham-panjakana sy toerana fialam-boly ihany koa ho fanatsarana ny tontolo iainana ihany

Ho an’ny fikambanana vehivavy 08 marsa manokana, dia napetraka ihany koa ny ady fototra fanorenana ny “WC public”, arakin’ny programan’asa napetrakin’ I Fonendrazana Haingo Elisette, filohan’ny fikambanana vehivavy 08 marsa Ambositra. Marihina etoana fa angady sy vy nahitana izao hetsika izao dia avy amin’ny filohan’ny 08 marsa mivady. Izany no natao ho fandraisana anjara maharitra amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana. Arakin’ny fampanantenana napetrakin’ny filoha ny 08 marsa, dia mbola hitohy ny asa ho fanatsarana ny mpiara-belona.

Tonga nanotrona izao hetsika izao, ireo manampahefana eto an-toerana sy ireo olona liam-pivoarana tsara sitrapo.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici