Fandrahonana ho faty sy fangatahana onitra volabe amin’ny alalan’ny finday. Vesatra azo hiampangana ity lehilahy iray nosamborin’ny pôlisy tetsy Ambohimahitsy ny faran’ny herinandro teo.
Ny hazo avo hono alan-drivotra, hoy ny fitenenana izay. Azo hampiharina ara-bakiteny tokoa ity oham-pitenenana ity raha ity tranga iray tetsy Ambohimahitsy ity no jerena. Rehefa nahalala mantsy ity lehilahy ity fa manambola ireto fianakaviana, izay tsy iza fa havany akaiky ihany dia nataony izay fomba rehefa hangalany vola tany amin’izy ireo, eny fa na dia tonga hatrany amin’ny fampihorohorona aza sy fandrahonana ho faty aza.
Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava tokoa mantsy dia nisy renim-pianakaviana iray tonga tao amin’izy ireo nametraka fitarainana noho ny hafatra amin’ny finday azony, izay mampanahy, tokoa satria dia miankina amin’ny ain’ny zanany. « Nitaky vola an-tapitrisany maro amin’ny finday ary mandrahona ny hamono ny zanany ny lehilahy iray raha toa ka tsy manome io vola io ilay ramtoa » hoy ny vaovao. Taorian’io dia nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo pôlisy ary tsy ela dia voasambotra tetsy Ambohimahitsy ity lehilahy ity. Mbola tratra tao aminy aza, hoy ny fampitam-baovao ny « puce » fandefasany hafatra amin’ilay ramatoa. « Rehefa nohadihadiana ity lehilahy ity dia fantany fa manam-bola ireto fianakaviana ireto ary mba te hahazo vola ihany ko izy izay tsy iza moa ireto olona nagantahiny vola ireto fa fianakaviana akaiky aminy ihany. Rehefa nosavaina ihany koa ny tranony dia mbola nahitana karazana karam-panondro sy taratasy fahazoana mamily fiarakodia maro izay hosoka avokoa. Ireo taratasy ireo izay ampiasainy amin’ny fanaovana hosoka. Niaiky ny heloka vita ny izy ary natolotra ny fampanoavana ny sabotsy ». Tamin’ny fanadihadiana azy moa dia niaiky ny heloka vitany ingahirainy, izay raha ny fahitàna ireo zavatra hita tao aminy dia mety efa rain-dahiny tanteraka amin’ny resaka fampihorohorona. Ny sabotsy teo izy no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L