Herinandro aty aoriana ny fampiatoana ireo mpitsara dimy, teo anivon’ny fitsarana ambony; izay mpikambana eo anivon’ny mpitsara manokana mpandinika ny fanomezana famotsorana vonjimaika na ny fandavana izany, noho ilay “raharaha Haja”; dia samy manana ny filazany sy ny heviny ny mpitsara eo anivon’ny sampam-pitsarana eto Toamasina. Ao ireo mpitsara milaza, fa izao no vokatry ny tsy fananan’ny fitsarana fahaleovan-tena, satria ny mpitsara mandray baiko avy any ambony indray no voasazy, fa tsy ny mpanome ny baiko amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina. Misy kosa anefa ireo milaza, fa mila miasa malalaka amin’ny lalàna misy sy ny zon’olombelona efa neken’ny fanjakana Malagasy ny mpitsara, fa raha tsy izany dia misy tombo sy hala ny fampiharana ny lalàna manan-kery sy ny lalàna fakan-tahaka misy eto amintsika. Araka ny angom-baovao voaray, dia misy amin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambony naato amin’ny asany eo am-piandrasana ny fiakarana fitsaran’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny mpitsara, izay ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana no filohany, dia eo am-piandrasana ny fotoam-pisotroan-drononony afaka volana vitsy; eo koa ireo mpitsara vao avy niatrika izany fitsipi-pifehezana izany farany teo, noho ny didy sy fampiharana ny lalàna navoakany ihany koa. Hatreto aloha tsy mbola naneho ny heviny ny syndikan’ny mpitsara, fa mbola manao fanadihadiana momba ny raharaha. Ao anatin’izay anefa dia nihena ho dimy indray izany ireo mpitsara efa tsy ampy eo anivon’ny fitsarana ambony amin’ny fikirakirana ireo antontan-taratasin’ady, nefa raha ny vaovao, dia tokony ho efa handeha ny volana may ho avy izao ny fitsarana momba ny heloka be vava sy ny fitsarana manokana momba ny halatra omby eo anivon’ny fitsarana ambony. Ankoatra izay, dia fantatra ihany koa izao, fa efa in-4 nangataka fahafahana vonjmaika teo anivon’ny fitsarana ny “raharaha Ambodiazinina” izay nahafaty polisy telo lahy voalaza fa nanao iraka manokana tany amin’ity fokontany ity, izay tafiditra amin’ny antontan-taratasy “mainty” eo anivon’ny fitsarana sy arahan’ny minisitera maso akaiky ny fivoarany.
Malala Didier