Omaly maraina no nahitan’ny mponina eny Tanjombao fatin-dehlahy iray natsingevan’ny ranon’Ikopa teo akaikin’ny tetezam-by. Nitangorona ny olona nijery, tamin’izany no nisy nahafantatra azy. Ireo tovolahy teo an-tanana ihany no nidina tao anaty rano nampakatra ny razana. Nahamarika ny rehetra fa misy maratra teo akaikin’ny masony ary nivoaka rà ny vavany. Re teny an-toerana fa teny Tanjombato izy no nonina fahavelony. Ny alatsinainy hariva, niaraka tamin’ny namany nandeha nisotrosotro ilay rangahy. Voalaza fa nisy fifamaliana tamin’izany ary lasa nandeha ireo namany. Izy kosa tsy fantatra na taiza na taiza. Tsy tonga nody tany an-tranony izy na dia efa alina aza ny andro. Niezaka nitady azy ny zanany sy ny olona maromaro nefa niala maina. Ny maraina dia izy hita faty io. Tsy fantatra marina aloha hatramin’izao ny nahafaty an-drano an’ity olona ity. Mikasika ireo ratra indray dia angamba, hoy ny sasany, nianjera tamin’ny vato na zavatra hafa izy, avy eo tsy nahatsiaro tena tao anaty rano tao. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny BMH nanao ny fizahana. Rehefa izany dia nomena ny finakaviany ny fatin’ilay lehilahy 60 taona.
r.s.