- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Gadra nitsoaka, voasambotra teny ambony môtô

Antsirabe : Gadra nitsoaka, voasambotra teny ambony môtô

Herintaona taty aorian’ny nahavakian’ny fonjan’i Faratsiho, dia voasambotra tao Antsirabe ny gadra nitsoaka iray antsoina hoe « Hajamainty », ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vaovao azo, dia kisendrasendra ihany no nahitana ity voafonja ity tamin’io fotoana io, eny fa na dia efa namoahana fikarohana aza ity farany. Nanapa-kevitra mantsy ireo pôlisy tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao, fa hanao fisafoana ary hisava manokana ireo mpitondra môtô. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany teo no voasambotra ity lehilahy ity. Nampiahiahy ny fihetsiny ka nentina avy hatrany tany amin’ny birao natao fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana, fa isan’ireo gadra nandositra nandritry ny fahavakian’ny fonjan’i Faratsiho ny taona 2018, ny lehilahy.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici