- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Jiolahy mpampihorohoro voasambotry ny pôlisy

Antsiranana : Jiolahy mpampihorohoro voasambotry ny pôlisy

Tsapa tato ho ato, fa miverina amin’ny vahoaka ny fahatokisana an’ireo mpitandro ny filaminina raha tsy hilaza ny zava-bitan’ireo mpitandro ny filaminana hita manerana ny Nosy, ka maha velom-bolo amin’ny lafiny  ady amin’ny tsy fandriampahalema. Betsaka ny zava-bita ary mihatsara hatrany ireo fiaraha-miasa misy eo amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka, ka lasa fomba fanao amin’ny toerana maro na ny eto an-tanan-dehibe na eny ambanivohitra.

Vokatry ny fiaraha- miasa hatrany eo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka tsara sitrapo, dia tra-tehaky ny polisim-pirenena ao Antsiranana, ny 29 marsa lasa teo tao amin’ny fokontany Mahavokatra, jiolahy tanora roa lahy  sangany amin’ny asa ratsiny. Izy roa lahy ireo, dia anisan’ireo jiolahy mpampihorohoro amin’ny tapany avaratra andrefan’ny tanànan’i Diego, toy ny amin’ny fokontany Tanambao III, fantan-daza amin’ny sinto-mahery sy fanafihana olona miaraka amin’ ny antsibe lava lela. Efa maro ny asa vitan’ireo jiolahy teto an-tampon-tanànan’i Diego. Misy ihany koa ny fisolokiana ataon’i Simon Pierre, ny iray amin’ ireo jiolahy ireo, amin’ireny “cash point” ireny. Deraina manokana ny kaomisaria boriborintany voalohany ao Tanambao IV; izay nahitana izao vokatra izao.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici