- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimanary-Maevatanàna : Mpampianatra iray, maty an-drano

Ambodimanary-Maevatanàna : Mpampianatra iray, maty an-drano

Tovolahy iray mpampianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina « Fenomanana »  no natelin’ny rano rehefa nandriaka trondro, tao amin’ny reniranon’Ikopa, tao amin’ny fokontany Ambodimanary, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany no nisehoan’izany, ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo . Raha ny  vaovao voaray, rehefa andro tsy fampianarana toy izao ity tovolahy ity, dia lasa nandriaka teo amin’ity ranon’Ikopa ity, ka dobo teny am-povoan-drano izy sy ny lakan-kazo nentiny, ary tsy nipoitra intsony ranamana avy teo. Nikoropaka ireo olona teny an-toerana raha vao nahita izany, ka niantso haingana ny fokonolona tao amin’ny tanànan’Ambodimanary, ireto farany avy eo no nanao ny fikarohana sy fitadiavana, saingy mbola tsy nahitam-bokany izany. Adiny roa taty aorian’izay vao nipoitra tao anaty rano ny razana. Ary  efa natolotra ny fianakaviany ao Ambodivoina, ao amin’ny fokontany Ambatofotsy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici