Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoan’ireo dahalo ity raim-pianakaviana iray, tany amin’ny distrikan’i Manja ity. Rehefa avy notifirina izy dia notaperin’ireo tsy valahara ny ainy, tamin’ny alàlan’ny fanapahana ny lohany.
Tao amin’ny fokontany kely antsoina hoe Andranolalava Ambony no nitrangan’ity habibiana tsy roa aman-tany ity rehefa tonga nanafika tao ny dahalo teo amin’ny dimy lahy teo. Hatreto, dia tsy fantatra mazava na asan-dahalo tsotra izy io no nivadika ho famonoana na efa tetika maty paika, hamonoana ity raim-pianakaviana ity mihitsy na ilay antsoina hoe « règlement de compte ». Ny ampitson’io zava-nitranga io mantsy no tonga tany amin’ny biraon’ny pôlisy tao Manja, araka ny tati-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena ny zanany, nametraka fitoriana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpitandro filaminana teo anoloan’ity vono olona mahatsiravina ity ka ny faramparan’ny volana teo no fantatra, fa nisy olona iray nosamborina. Ity farany moa, raha ny vaovao hatrany, dia isan’ireo dahalo mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampitondra faisana iny distrika iray iny nandritry ny fotoana maro. Marihana, fa roatokom-bolana taorian’ilay fanafihana nahafatesan’ilay raim-pianakaviana no voasambotra ity dahalo rain-dahiny ity; izay mbola tratra niaraka tamin’ny basy lava sy poleta ary bala maromaro. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ireo namany efa-dahy hafa, izay isan’ny nandray anjara tamin’ny famonoana ilay raim-pianakaviana, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisim-pirenena hatrany.
m.L