Dahalo telo tamin’ireo 16 lahy nirongo basy mahery vaika nahitana basy “kalach” sy basy gasy nanafika tao Vatomarirana, ao amin’ny fokontany Ampasina kaominin’Andina distrikan’Ambositra no matin’ny fokonolona mpanara-dia taorian’ny fifandonana nisy teo amin’ny roa tonta, ny talata teo. Lehilahy iray antsoina hoe Rapiera, izay mpanao dabokandro malaza any an-toerana izay sahy miady amin’ny dahalo no nitarika ny fokonolona tamin’izany ary nanampy tosika kosa ny mpitandro filaminana. Raha ny fampitam-baovao avy any Ambositra dia omby 11 nalain’ny malaso no latsaka.
Manitrisa