Ny asabotsy lasa teo no tratra tao amin’ny seranan-tsambo tao Toamasina, izay nosahanin’ny Borigadin’ny seranan-tsambo sy ny zandarin’ny Toby Ratsimandrava tany an-toerana ny fitaovam-piadiana maromaro. Basim-borona 72 (calibre 12) marika Baîkal, miaraka amin’ny bala 2000 isa( 22 long rifle). Marihina fa tao anaty fiara Mercedes Sprinter moa no nahatratrarana ireto basy ireto izay efa teo amin’ny fiantsonan’ny fiara ao anaty seranana na ny « parc voiture » (SMMC). Tena matihanina tokoa ireto mpanafatra basy an-tsokosoko ireto, satria dia betsaka tokoa ny andiany no tsy olona iray no manao izany fa maromaro izay mifampiankina sy mifampiaro.
Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana moa amin’izao ny manampahefana eny an-toerana amin’izay mety ho tompon’ity fitaovam-piadiana tratra ity indray. Vao herinandro maromaro moa izay no nisy toe-javatra tahak’izao ary mety mbola hisy koa atsy ho atsy ka hanairana ny sain’ireo tomponandraikitra mba hanaramaso akaiky ny fivezivezen’ny entana ao amin’ny seranan-tsambo.