Miandry mahazo. Ankoatra ireo mpiandry « tataka » eny amin’ireto toerana fiantsonan’ny taxibe dia efa nanita-tsaina hiandry « haza » eny amin’ireo tranokelin’ny banky fangalàna vola, na Gab, indray ireo mpanendaka. Lasibatra tanteraka amin’izany ireo olona sendra maka vola amin’izy ireny, amin’ny andro hariva na andro vao maraina, indrindra fa ireo tsy maintsy handeha an-tongotra avy eo fa tsy misy fiara na kodiaran-droa hitondra. Mody mipetrapetraka tsy lavitra ireny tranokely ireny izy ireo ary mitily fotsiny ireo izay maka vola. Toy izany ity mpanendaka voasambotry ny pôlisy tetsy Tsaralalàna ity. Voamarina fa izy sy ny namany no tena nampitondra faisana ireo olona sendra maka vola amin’ireo « gab »-na banky maromaro manodidina iny faritra iny. Mbola mitohy moa ny fikarohana ireo namany hafa, araka ny angom-baovao azo. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany raha tsy maintsy haka vola amin’ireny toerana ireny. Ekena fa misy mpiambina izy ireny saingy ny eo amin’ny faritra manodidina azy ihany no mety ho voaaro fa raha vao mihoatra am-polony metatra dia efa sakafon’ireo olon-dratsy.
Mahakasika ity trangana fanendahana ity dia tsapa fa nirongatra tanteraka mihitsy izy io andro vitsivitsy lasa izay. Azo lazaina mantsy fa somary niatoato tao anatin’ny fotoana vitsy, tamin’ny fisian’ireo ireo mpitandro filaminana mpanao fisafoana mandeha an-tongotra amin’ny alina. Vao ny faran’ny herinandro teo fotsiny izao dia olona roa no lasibatra tetsy Ankorondrano, teo amin’ny «arrêt fokontany », raha iny avy niala taxibe, handeha hiditra hiasa amin’ny hariva iny. Manao andiany maro ireo mpanendaka ka tsy afa-manohitra akory izay lasibatra, eny fa na dia somary lehibe sy ranjanana aza ireo lasibatra.
m.L