Mirongatra izay tsy izy indray amin’izao ny fangalarana môtô. Tsy vitsy tokoa ireo tompona kodiaran-droa no mikaikaika amin’ny afitsok’ireo olon-dratsy, indrindra fa ireo tompona môtô « scooter ». Toy ny eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina dia vao mipetrapetraka kely fotsiny izany môtô izany dia mety efa lasa. Amin’izay lafiny izay indrindra dia fantatra tambajotra iray indray no ravan’ny pôlisy teny an-toerana. Efa-dahy ireo voasambotra tamin’izany ny faran’ny herinandro tokony ho tamin’ny mitsidik’andro teo. Raha ny fampitam-baovao dia efa manana anjara asa tsirairay mihitsy ry zalahy ireto. Ao ireo mitily fotsiny izay olona mametraka môtô, ary mampilaza ny namany raha vao dify na lasa lavidavitra monja ilay tompony. Olon-kafa indray avy eo no maka ilay môtô. Eny fa na dia amin’ireo toerana misy mpiambina aza. Efa arakin’ ny pôlisy ireo tetik’adin’ireo mpanao ratsy io. Ka tamin’io fotoana io dia nahatsikaritra efa-dahy nampiahiahy sy kaodikaody teny an-toerana ireto farany. Nanatona avy hatrany ireo mpitandro filaminana saingy nitsoaka toy ny teo ireo efa-dahy, raha vao nahatazana azy ireo fotsiny. Raikitra teo ny fifanenjehana, izay nihazo ny tetezan’i Bekiraro iny. Tsy lasa lavitra moa ireo olon-dratsy dia voasambotra. Mbola nahitàna fitaovana maromaro fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny moa tany am-bahalan’ireo efa-dahy : « pince coupante », « tournevis », lakile « passe-partout », hamahana ny môtô, ary rongony. Araka ny fantatra hatrany dia ry zalahy ireto no tena tompon’antoka amin’ny fangalarana môtô eny amin’iny faritra iny. Efa natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy teo ihany izy ireo ary nadoboka am-ponja avy hatrany.
m.L