- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Zanaky ny ben’ny tanana, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Faratsiho : Zanaky ny ben’ny tanana, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vahaoaka an-jatony no nitady sy nikasa haka ny zanaky ny ben’ny tanana tao Miandrarivo hatao fitsaram-bahoaka. Halatra kisoa no nanenjan’ny fokonolona azy, soa fa teo ny zandary nandamina sy nanakana ny fikasan’ny fokonolona  fa raha tsy izay dia zava doza no nitranga.

Ny faramparan’ny herinandro lasa teo no nitrangan’ity seho ity. Araka ny fantatra dia nifanaraka tamin’ny olona iray ity tovolahy zanaky ny ben’ny tanana ity fa hametraka kisoa iray, ka rehefa matavy dia hamidy. Fomban’ity farany ny mijery matetika ny kisoa ao amin’ilay tokantrano. Tamin’ny zoma lasa teo anefa, andron’ny tsena ao Miandrarivo, tsy tao an-tanana ny tompon-trano fa tany an-tsena. Niditra tao an-trano  ilay zanaky ny ben’ny tanana ary nibata kisoa iray. Marihina fa tsy io kisoany io ihany no ompian’ilay tompon-trano fa misy kisoa hafa. Ilay kisoan’ny tompon-trano matavy be anefa no nobatain’ilay zanak’Ingahy maire ka namidiny. Hatairana ny ny an’ny tompon-trano tsy nahita ny kisoany rehefa nody. Nambaran’ny olona fa ny zanaky ny ben’ny tanana antsoina hoe Tafita no nibata azy tao. Tezitra ny tompon-trano ka nanao antso lava. Vetivety dia vory maro be ny fokonolona ary nizotra nankeny amin’ny biraon’ny kaominina nitady an’i Tafita. Malaza ao  Miandarivo mantsy fa rehefa ny hafa no tratra mangalatra dia malaky ny kaominina manao ny fanadihadiana ary  hidiany ao amin’ny biraony izay tratra. Tamin’ity kosa, ny zanaky ny ben’ny tanana no tratra nangalalatra ka manahy ireo fokonolona sao ho vitavita foana eny ny raharahara. Ny ben’ny tanana rahateo efa tsy  mamy hoditra loatra ao an-tanana . Soa fa teny ifotony ny zandary tamin’io fotoana io nanakana ireo fokonolona sy nanazava fa voararan’ny lalana ny fitsaram-bahoaka. Tsy nilamina ny raharaha raha tsy ireo ray aman-dreny be to teny eo an-tanana no niditra an-tsehatra nandamina ny fokonolona, ny zandary kosa etsy ankilany  niaro ny ain’ilay mpangalatra. Tokony tamin’ny 9 ora alina tany vao nilamina ny fokonolona raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Efa ao ampelatan’ny zandary ao Faratsiho ny raharaha ary raha ny fantatra dia hiakatra fampanoavana amin’ity herinandro ity ilay tovolahy.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici