Betsaka ireo karazan’ny harena an-kibon’ny tany misy eto amin’ny faritra, ary misy karazany amam-polony maro, hoy ny ministry ny harena an-kibon’ny tany, raha nitsidika ny distrrikan’ Ambatofinandrahana, Mananadriana ary Ambositra, ny faran’ny herinandro lasa teo, niaraka tamin’ny lehiben’ny governemanta
Nampitandrina ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany, fa tsy azo ekena intsony ny gaboraraka amin’io sehatra io. Profon’izany, hoy ihany ny ministra, dia efa indroa izao no nahatratra fitaterana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna ny zandary any an-toerana ary nisy ny fepetra noraisina araka izany. Nanentana ireo mpisehatra isan-tsokajiny ny ministra, mba hiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna fa tsy misy intsony ny gaboraraka sy ny kolikoly, ka hentitrra amin’izany ny filohan’ny governemanta, na iza na iza no manao ny tsy ara-dalàna, fa eo ambanin’ny lalàna ny olon-drehetra.
Anastase



