- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmoron’i Mania : Tonga ny ampahan’ny vary mora 175 taonina amin’ny...

Amoron’i Mania : Tonga ny ampahan’ny vary mora 175 taonina amin’ny 500 taonina

Araka ny fampanantenana napetraky ny filoham-pirenena, dia nahazo ny anjara vary mora ny mponina eto amin’ny faritra, ka ny 175 taonina ampahany voalohany amin’ny 500 taonina natokany ho an’ny faritra Amoron’i Mania, no tonga izao. Tamin’ny  fanazavana nataon’ny  préfet-n’Ambositra sy ny lehiben’ny faritra, dia efa miditra ao anatin’ny fandaminana rehetra ny komity voatokana amin’izany mba hahafahana mitsinjara sy mivarotra ny vary. Faritra Amoron’i Mania izay misy mponina iray tapitrisa ary mitsinjara ao anatin’ny distrika efatra, dia Ambositra, Ambatofinandrahana, Fandriana ary Manandriana, izay misy kaominina 61 ary fokontany 788.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici