- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMangabe-Maevatanàna : Mpianatra enina nihetsika ambalavelona tao amin’ny CEG iray

Mangabe-Maevatanàna : Mpianatra enina nihetsika ambalavelona tao amin’ny CEG iray

Raha ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny no tena mampalaza ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna tato ho ato, dia nitrangana trangam-piarahamonina mampalahelo indray tany amin’ny fokontany sy kaominina Mangabe, disitrikan’i Maevatanàna. Anisan’ny lasibatra amin’izany ireo ankizivavy mpianatra amin’ny sekolim-panjakana ao amin’ny ceg iray.  Afakomaly 08 Aprily, dia nitrangana aretina ambalavelona tao amin’ity sekoly ity, ka vehivavy 12 taona ka hatramin’ny 15 taona ao amin’ny 6eme, 4eme, 3eme no lasibatra tamin’izany.  Araka ny fanazavana avy any an-toerana, dia tao amin’ny kilasy  fahenina(6eme) no nanombohan’ny aretina, dia nifindra tamin’ny kilasy fahavalo(4eme), ary nifarana tamin’ny kilasy fahasivy (3eme). Mahatratra enina eo ny isan’ireo mpianatra nihetsika ambalavelona tao. Izany indrindra no nandraisan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly ny  fepetra nifanandrify tamin’izany, ka natsahatra  ny fampianarana, ary nisy fanafaran’ireo olona mpivavaka mpanala devoly. Tonga nijery ny niandohan’ny zava-misy tany an-toerana ireo tompon’andraikitra ao amin’ny tananan’i Mangabe mikasika izany trangan-javatra mampalahelo izany. Dimy taona lasa izay no nisy trangan-javatra toa itony koa, niseho teto Maevatanàna an-tampon-tanàna, niseho tao amin’ny sekolim-panjakana « Reference, » izay tena nampanjaka ny herin’ny devoly mihitsy tamin’izany andro izany, ka izao mitady hiverina hitatra any Mangabe izao indray.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici