- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha alan’ny Vohibola : Raikitra ny fifampitoriana taorian’ny famoahana ireo voasambotra

Raharaha alan’ny Vohibola : Raikitra ny fifampitoriana taorian’ny famoahana ireo voasambotra

Ireo olona voasambotra

Nitrangana sakoroka ny tao amin’ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Atsinanana (DREDD) ny alarobia hariva teo. Taorian’ny fisamborana ireo olona 12 mpiambina ala tany Vohibola Ambinaninony, ny 02 tangalamena any an-toerana ary ilay sefom-pokontany, izay notorian’ny ben’ny tanana any an-toerana noho ny raharaha fikapana ala arovana, voasambotry ny zandary sy ny mpiasan’ny DREDD Atsinanana ny alahady 07 avrily teo, dia tonga namoaka azy ireo ny tompon’andraikitry ny AFF, na ny Asa fototry ny Fampandrosoana, Atoa Franck Ravelonarivo. Izy io dia sampana fikambanana eo anivon’ny orinasa Sodiat. Iray tamin’ireo voasambotra ireo Atoa Nabé, mpikambana eo anivon’ny AFF. Raikitra ny fifandrahonana sy fifampihantsiana ary fifampiampangana nandritra io alarobia hariva io. Milaza ny hitory ny DREDD Atsinanana ny tompon’andraikitry ny AFF noho izao olana tao Vohibola izao. Raha ny fanazavana dia tsy andian’olona mpamono biby na mpangalatra hazo ao anatin’izany ala izany ireto olona nosamborina ny alahady teo ireto, izay nentina vedety teto Toamasina ny alatsinainy teo ary nohidiana tao anatin’ny efitrano manokan’ny DREDD Toamasina miandry fanadihadiana. Fanafenana ny tena mpangalatra sy mpanapaka ala sy ny bizina ataon’ny ben’ny tanana ao Ambinaninony sy ny DREDD Atsinanana izao fisamborana izao, mba hanafenana amin’ny olona fa izy ireo mpiaro indray no meloka. Ny alatsinainy ihany dia efa navotsotra ireo tangalamena roa lahy fa ireo ambiny 10 kosa no mbola nohazonina miandry ny fanadihadiana, araka ny “requisition” nataon’ny DREDD atsinanana mampisambotra sy manenjika ary maniraka ny zandary sy ny mpiasan’ny DREDD nisambotra azy ireo. Tsy nisy aloha ny taratasy na avy amin’ny fitsarana, na avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, na avy amin’ny fanjakana malagasy, manome alalana ity tompon’andraikitry ny AFF ity namoaka ireo olona 10 voaazona tao amin’ny DREDD atsinanana nosamborin’ny zandary ireto. Avy hatrany dia kiribiby sy fanararaotam-pahefana no natao ka izay no nahatalanjona ny mpitazana. Ankilan’izany dia sahin’ny tompon’andraikitry ny AFF, Atoa Franck Ravelonarivo, ny nanasoketa ny talen’ny tontolo iainana Atsinanana ho mpangalatra sy mpibizina hazo. Nambarany fa ny alarobia io dia tany Andranokoditra ity DREDD ity nanao bizina hazo. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha satria milaza ny hitory noho ny raharaha ny tompon’andraikitry ny AFF sy ireo voasambotra ireo, noho fanalam-baraka sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona tamin’ny fisamborana ary ny fihazonana azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici