- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversTovovavy hita faty teny Ambohimanga : Nadoboka any Tsiafahy ilay raim-pianakaviana sakaizany

Tovovavy hita faty teny Ambohimanga : Nadoboka any Tsiafahy ilay raim-pianakaviana sakaizany

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay lehilahy izay voarohirohy ho namono nahafaty ilay tovovavy hita faty tetsy Ambohimanga, herinandro lasa izay. Nalefa avy hatrany any am-ponja moa ity farany, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy, taorian’ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana.

Sivy andro katroka taorian’ny nahitàna  ny fatin’ilay  tovovavy iray tetsy Andakana Ambohimanga Rova no voasambotra ihany koa ilay nahavanon-doza. Ny alakamisy teo mantsy ity lehilahy iray no noraisim-potsiny teny amin’ny toeram-piasàny teny Ambohidratrimo. Niantefan’ny ahiahy avy hatrany ity lehilahy ity, izay fantatra moa fa sakaizan’ilay tovovavy hita faty io, taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ireo zandary teny an-toerana. Niaiky ny zavatra nataony moa ity farany taminy famotorana azy, saingy kosa nilaza fa « sendra ny tampoka ny nahatonga izany fa tsy natao fanahy iniana ». Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia voalazany fa nisangisangy izy ireo ka nianjera tampoka ilay tovovavy ary namoy ny ainy avy eo.

Toe-javatra izay toa tsy mitombina ihany anefa. Ary azo heverina fa antony nandefasan’ireo teo anivon’ny Fampanoavana azy avy hatrany eny Tsiafahy izany. Araka ny angom-baovao voamarina sy ny vaovao miparitaka anaty tambajotra sosialy ao dia efa manambady ary vao vita mariazy vao haingana ny lehilahy. Manan-janaka, mbola menavava ihany koa izy sy ity vadiny ity. Kanefa dia toa hoe mbola niaraka tamin’ity tovovavy hita faty ity hatrany. Azo eritreretina hatreo fa nisy antony na nisy zava-nitranga tao amin’ny « fiarahan’izy roa niafina » tao. Antony iray tsy maintsy nanaperany ny ain’ilay tovovavy. Vinavina avokoa anefa izany hatreto. Izy rahateo manamafy hatramin’ny farany, araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana, fa hoe « loza tsy nahy no nahafaty ilay tovavavy ».

Ny azo antoka hatreto dia fiainana maro no simba taorian’izany zavatra tsy voahevitra izany. Tsy ny an’ity lehilahy ity irery fa ny an’ireo manodidina azy rehetra fa indrindra ny an’ireo vady aman-janany. Asa, mety ho izay kaikitry ny nenina izay no nanosika azy hitady vahaolana haingana amin’ny alalan’ny famonoan-tena, izay nokasainy natao fatratra tao amin’ny efitra nitazomana azy teny anivon’ny zandary ? Asa, fa dia anatra tanteraka aloha ho an’ireo manambady tsy mahay mipetraka ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici