- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy Tovolahy 22 taona maty noleran-drainy antsy teo amin’ny tratrany

Tsiroanomandidy Tovolahy 22 taona maty noleran-drainy antsy teo amin’ny tratrany

Izany tokoa no tonga amin’ilay fitenenana hoe: “izy mivady no miady ka ny ankizy no voaporiporitra”. Tovolahy iray vao 22 taona monja no maty tsy tra-drano rehefa noleran-drainy antsy teo akaikin’ny fony, ny zoma 12 aprily  teo, tokony ho tamin’ny 8 ora alina tao amin’ny tanàna antsoina hoe Amparihimaloto, fokontany Ambohimiarintsoa, kaomina Fiadanantsoa, distrikaTsiroanomandidy. Nisy ny fifamaliana tamin’ity raim-pikaviana ity sy Ramatoa vadiny ka iny handeha hidaroka ity farany ilay rangahy no nosakanan’ilay zanany lahy. Tezitra, noho izany ity rangahy, ka nandray antsy ary avy hatrany dia nanindrona ilay zanany tamin’io zava-maranitra io. Tsy nijery fotsiny anefa ilay reniny, fa niezaka nisintona izany antsy izany teny an-tànan’ny vadiny. Vokany, naratra mafy ihany koa ny tànan’ilay Ramatoa raha tsy avotra intsony kosa ny ain’ity zanany. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary raha vao nahazo antso momba io vono olona io ka nisambotra ity lehilahy nahavanon-doza ity, mba hohadihadiana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici