Taorian’ny herinandro nanaovan’ny polisy misahana ny heloka bevava ny famotorana ny raharaha vono olona tao Analakininina hopitaly be Toamasina, dia ny alatsinainy tolakandro teo no niakatra fampanoavana ny raharaha. Tsy nisalasala ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, namoaka famonjana vonjimaika ny roa lahy noho ity raharaha vono olona ity. Voarohirohy tamin’ny vono olona niniana natao sy efa nomanina i Tsilavina, voarohirohy ho mpiray tendro sy isan’ny nanomana ny famonoana olona kosa Ingahy Tantely.
Vaovoa isan’ny narahan’ny maro akaiky ity raharaha ity, satria zaza 04 taona sy vehivavy bevohoka ity novon’ny olona ity. Efa nisy mihitsy aza ny fitakiana fitsaram-bahoaka mikasika ireo nahavanona izao vono olona feno habibiana izao. Izay no nahatonga ny polisy nisahana ny raharaha nangina nandritra ny famotorana sy ny fisamborana ary ny fitondrana azy teny amin’ny fitsarana. Nandritra ny fahatrarana an’Ingahy Tsilavina, 20 taona, ihany koa no nivoahan’ny marina rehetra, satria tsy nanana eritreritra ny hamono ny mpampiasa azy teo aloha ny tenany, fa ilay Tantely mpiara-monina tamin’ireto tokantrano ireto no nahatonga azy nanana ny hevitra ny hamono azy ireo izao. Ny alatsinainy 18 marsa antoandro no nanomany ny fomba nanomonoana azy ireo, soa ihany fa tsy tao ny raim-pianakaviana nandritra izany. Ingahy Tantely ihany no tsara resaka tamin’ilay ramatoa tao an-trano, nefa nandritra izany no nandrarahany fanafody fampatoriana ny sakafon’ilay ramatoa tompon-trano. Ny talata 19 marsa maraim-be amin’ny 02 ora no nodarohany teo am-patoriana ilay ramatoa bevohoka. Raha nitomany nahita izany ny zanany 04 taona dia notsindroniny antsy ihany koa. Vidina finday roa an’ilay ramatoa novonoiny izay namidiny 28.000 ariary sy vola 10.000 ariary tamin’Ingahy Tantely no nentiny nitsoaka tany Ilaka Est, avy eo tany Antanambao Manampontsy, ny alarobia 20 marsa; nefa izao tratra izao raha natao ny fanarahan-dia.
Vonona hatrany ny polisim-pirenena hisambotra ireo mpanao ratsy sy mpamono olona na aiza na aiza eto Madagasikara no misy azy ireny, hoy ny kaomisera Raelison Gérvérain, misahana ny polisy momba ny heloka be vava eto Toamasina. Ilaina ao anatin’izany ny fiaraha-miasan’ny fianakavian’ny mana-manjo, sy ny fokonolona, ary ireo manam-baovao rehetra…
Malala Didier