- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpiambina tanàna, hita faty nihohoka teo an-tokotany

Ambatolampy : Mpiambina tanàna, hita faty nihohoka teo an-tokotany

Raim-pianakaviana iray 55 taona, mpiambina tanànan’olona no hita faty teo an-tokotanin’ny tanàna nambenany, omaly narainabe, tao amin’ny fokontany Andafiatsimo, distrikan’ Ambatolampy, faritra Vakinakaratra. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso tamin’ny fandalovanay teo an-toerana, tokony ho tamin’ny sivy ora, dia mamo tampona ity rangahy ity ny alin’ny talata. Na ny niditra tao an-trano nitoerany aza tsy vitany intsony. Ankevitry ny sempotra tsy nisy namadika izy, ka nitarika ny fahafatesany, raha ny tombatombana.

Ny maraina vao taitra ny tompon-trano nahita an’i Tohanina, fantary ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Naivo bakal, niankohoka tamin’ny tany. Narenina, hay efa tsy misy aina intsony. Nampandre ny manodidina sy ny fokontany ramatoa tompon-trano, niara-nizaha ny zava-misy. Efa any amin’ny fianakaviany ny razana tamin’ny fotoana nialanay teny. Ny fianakaviany any an-trano mihevitra fa niasa i Dada, kanefa faty no heno nony naraina ny andro.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser