Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratra olona indray omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora sy fahefany. Tetsy 67 ha Atsimo, tsy lavitra ny tranon-jiron’ny Jirama, izay fantatry ny maro amin’ny « Arret 30 » taloha no niseho ny loza. Fiara iray nirimorimo no nandona tovolahy sahabo ho 17 taona niampita arabe. Nitrosina tamin’ny tany ity farany ary tapaka mihitsy ny tanany havia vokatry ny fianjerana mafy. Tsy nijanona ilay fiara nandona fa nanohy ny diany hatrany nihazo ny lalana Ampasika iny. Matetika isehoana lozam-pifamoivoizana hatrany io lalàna io, ka tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra henjana. Ohatra fotsiny tamin’ ny fetin’ny reny teo, olona efatra no niharan-doza, iray namoy ny ainy. Misy polisy ihany mandrindra ny fifamoivoizana fa tsy mivaky loha ireo mpamily tsy tan-dalàna izay sahy manao « sens interdit » sy mijanona tampoka eo am-povoan-dalana. Tsy lazaina intsony ny afitsoky ny taxi-be.
Manitrisa