Ny iray tompon’ny moto, ny iray mpiasan’ny Jovenna izay nitsimpona, ary nanafina ny findan’ireo roa lahy izay lavon’ny zandary. Ny iray hafa kosa dia mpiray tsikombakoomba. Ireo no natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Izany dia mahakasika ny raharaha fanafihana mitam-piadiana tetsy Amoronakona By-pass ny asabotsy lasa teo. Nomarihan’ny zandary tsara fa izy ireo ihany no nanao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ary tsy niarahana tamin’ny vondrona hafa. Nentin’izy ireo nandiso izany ny vaovao izay nivoaka ary nilazan’ny mpanao fanadihadiana hafa ivelan’ny zandarimaria ny amin’ny hoe nisamborana olona roa tetsy Analamahitsy. Ireo raha hiverenana kely dia olona nosamborin’ny polisy ary voarohirohy tamin’ny fanafihana Sinoa tetsy Masay, no koa sady tompon’ny moto izay nogiazana taorian’ny fanafihana tetsy Amoronakona. Amin’ny lafiny iray dia misy lafiny tsara ihany ny fihazakazahan’ny vondrona tsirairay avy mitady ny olon-dratsy ary indrindra koa misy fifaninanana masina. Efa mafy loatra amin’ny olon-tsotra mantsy ny afitsoky ny jiolahy. Eo ihany ny fandrobàna fananana fa koa ny fanolanana sy ny herisetra samihafa ataon’izy ireo dia tsy azo eken’ny saina intsony. Momba ny fanafihana ny fiara tsy laitram-balan’ny Brinks dia mbola ny maro no variana amin’ny fahasahian’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’izay tsy laitram-bala mantsy ireny fitaovana ireny fa mbola arovan’ny olona mitam-basy koa. Nefa dia sahin’ireo ny nanaraka izany tamin’ny moto scooter ary nikasa ny haka ny vola izay hampidirina tao anatiny. Mijery sarimihetsika loatra, hoy ny sasany, ary misy fahamarinany.
D.R