- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFaharatsian-dalana : Mitoka-monina i Tsaratanàna

Faharatsian-dalana : Mitoka-monina i Tsaratanàna

Faharatsian-dalana. Mitoka-monina tanteraka ny disitrikan’i Tsaratanàna amin’izao fotoana izao, noho ny haratsian-dalana. Sahirana ny mpampiasa ny lalana indrindra ireo mpitatitra fa lany eny an-dalana ny andro ka taraiky ny famoahana sy ny fampiakarana ny vokatra any an-toerana. Vokatr’izany, dia midangana ny vidim-piainana ka mikaikaika ny mponina. Tsy hita taratra intsony ny maha Tsaratanàna azy amin’ny alalan’ny vokatra vary sy akondro, araka ny nambaran’ireo mpampiasa ny lalana. Simba tanteraka ny lalana mampitohy an’i Croisement sy Tsaratanàna, izay tsy misy fanamboarana efa nandritra ny taona maro, izay ataon’ny mpanao politika fitaovana fotsiny. Adiny folo mahery be izao ho an’ny mpitondra môtô ny lalana mirefy eo amin’ny 95km. Manginy fotsiny ireo fiara simba noho ny haratsian-dalana. Ireo fiara sy ny fiara tsy mataho-dalana dia tsy resahina intsony, satria misy roa andro na telo andro be izao ,no anaovan’izy ireo iny lalana iny, » hoy ny fitarainan’ny mpitatitra. Mety ho izay  tokoa no mahatonga ny firongatry ny asan-dahalo any an-toerana. Noho izany ndrindra dia manaitra ny tompon’andraikitra voakasik’izany ny vahoaka mba hitondra vahaolana haingana sy matotra mba hamaha ireo olona mianjady aminy ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici