- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao-Iavoloha : Tratra niaraka tamin’ny rongony 35 gony i Gilaka

Ambohibao-Iavoloha : Tratra niaraka tamin’ny rongony 35 gony i Gilaka

Olona tsara sitra-po no nampandre ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahamadomelina atsy Anosy fa misy lehilahy mivarotra rongony eny amin’ny faritra Ambohibao Iavoloha. Mitatitra rongony amin’ny fiara Peugeot 305 ilay lehilahy ka narahin’ny polisy maso. Ny 3 jona tamin’ny fito ora hariva ary dia nosakanan’ny polisy ity fiara voalaza ity, tetsy Tanjombato raha iny handeha hamatsy ireo rongony.

Tratra tamin’izany ny lehilahy iray antsoina hoe Gilaka, 39 taona. Tamin’ny fisavana ny fiara dia nahitana rongony 5 gony. Nony avy eo dia narahina polisy ity lehilahy ary mbola nankany an-tranony, teny Iavoloha, ihany koa nanao ny fisavana. Mbola tratra tao ihany koa ny rongony miisa 33 gony sy gony miisa 40 efa avy nisy reongony efa lafo. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa avy any Betroka no fiavian’ny entana, ka 60.000Ar no nividianany ny gony 30 kg ary amidiny 200.000Ar.

Nanaiky moa ny lehilahy fa tena azy tokoa ny rongony, ka any amin’ny faritra Anosibe sy IVO ary 67 ha no amarotany ireo rongony ireo ary mpamongady izy amin’izany. Efa ela moa no nanarahan’ny polisy an’ity rangahy ity fa izao izy vao tratra.

Ny alarobia omaly no nodorana tetsy Ambohitrimanjaka ireto rongony ireto, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, ary teo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ary ny tompon’entana ny fandorana izany.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser