- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika 

Betsiboka : Fiarovana amin’ny paska, zandary  150 hahetsika 

Efa manomana paik’ady hentina hisorohana ny tsifandriampahalemana, mialoha, mandritra ny fankalazana ny fetin’ny « paska » ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka. Ohatra amin’izany ny fiambenana amin’ny alina, mandritra ny dimy andro. Hametrahana andiana Zandary eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ; izay ivezivezen’ny fiara. Nandraisana fepetra manokana ihany koa ny  fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ho hentitra ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fampanajana ny fitsipika rehetra sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana. « Zandary maherin’ny 150 no hahetsika ato anatin’ny Faritra Betsiboka, ary fiara tsy mataho-dalana telo sy miampy môtô enina no hampiasaina mandritra izany. Hiandreketan’ny Zandary hatramin’ny fanaraha-maso an’ireo toeram-pitsangantsanganana mahavory olona ny toeram-pilanonana, mandritra ny alahady sy ny alatsinainy paska, » araka nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarmaria  eto Betsiboka, ny Lietinà-kolonely Ratovonandrasana Veloson Julien. Izay vao avy nandray ny asany amin’ny maha- lehiben’ny Zandary vaovao azy, hatramin’ny tapa-bolana lasa izay.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici