- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Dahalo tafatsoaka ny « violon », maty voatifitra

Maevatanana : Dahalo tafatsoaka ny « violon », maty voatifitra

Mahagaga ny fomba nahafahan’ity dahalo rain-dahiny iray nanala ny rojovy teny aminy. Tafatsoaka ny lehilahy ary nifanenjehana nony avy teo. Omaly, tao Maevatanana ity tranga ity.

Araka ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana, dia dahalo rain-dahiny iray antsoina hoe « Dadamainty » no voasambotry ny zandary, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma  teo, tao amin’ny kaominina Andranomamy, distrika Maevatanana. Raha ny vaovao azo, dia efa nifampitadiavana ity olon-dratsy ity, izay malaza ratsy amin’ny  halatr’omby sy ny fanafihana mitam-piadiana ary ny filalaovana ody gasy. Tamin’ny fotoana nahasamborana azy aza moa, dia mbola nahitàna antontan-taratasy maromaro mahakasika resaka omby tany aminy, misy ny hosoka ary misy ireo tena izy, toy ny FIB tsy misy n’inon’inona, izay tsy tokony ho eny an-tànan’olon-tsotra mihitsy, raha ny fanazavana azo.

Omaly no natomboka ny fanadihadiana ity olon-dratsy ity, izay noheverina fa hizotra ara-dalàna kanjo zavatra hafa no niseho. Raha iny nentina hofotorana iny mantsy i « Dadamainty » no afaka tampoka ny rojovy teny aminy, ary tafatsoaka. Nifanenjehana tao an-tanàna ity farany, raha ny vaovao. Efa nanapoaka basy ho fampitandremana ireo mpitandro filaminana, saingy mbola niezaka nitsoaka ihany ity olon-dratsy. Hany ka voatery nitifitra azy, izy ireo. Namoy ny ainy vokatr’izany moa ity dahalo rain-dahiny ity. Mbola mitohy kosa, raha ny fampitam-baovao azo hatrany ny fanadihadiana mahakasika ireo taratasin’omby sy FIB teny aminy. Azo heverina, fa tsy maintsy misy mpiasam-panjakana mpiray tsikombakomba aminy any ho any.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici