Loza mahatsiravina no nitranga tetsy Ambohimanambola ny sabotsy maraina teo. Lehilahy iray no voahitsaky ny lamasinina teny an-toerana. Potika sy ny nipitika mihitsy ny tongony.
Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teo no nitranga ny loza. Lehilahy iray izay variana natory teo amoron-dalana no voahosin’ny fiaran-dalamby nandalo teny amin’iny faritra Ambohimanambola iny. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana dia hoe mamo io rangahy io, ny alin’io ary tafatory teo amin’io lalam-by io. Nihevitra angamba ranamana fa tsy misy fiaran-dalamby mandalo intsony toy ny ankabeazan’ireo lalam-by eto an-drenivohitra izy io, na efa tena diso tsy nahatsiaro tena intsony noho ny zava-mahadomelina nohanina ka tsy nahafantatra fa teo amina lalam-by izy no natory. Raha ny fanazavàna azo dia efa nanisy anjomara fanairana ilay fiaran-dalamby tamin’ny fotoana nandalovany. Iaraha-malala ihany koa fa sarotra ho an’ny fiaran-dalamby ny mijanona haingana raha sendra loza. Tamin’io fotoana io dia hitan’ilay mpitondra fiaran-dalamby ny lehilahy. Nanohy nampaneno ny anjomara hatramin’ny farany moa izy tamin’izany. Taitra ihany nony farany ilay lehilahy, saingy efa tara loatra. Raha afaka ny vatany dia ny tongony an-kavanana no taraiky, izay voatetin’ny kodiarana. Nandriaka ny rà. Tapaka tarangana mihitsy izany tongotra izany, hatreo amin’ny kitrony midina. Nitangorona ny fokonolona ary niezaka namonjy ity olona tra-doza ity. Voalaza moa teo fa nandray ny andraikiny ihany koa ilay mpitondra an’ilay lamasinina namonjy ilay lehilahy tapa-tongotra. Nalefa avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ity farany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nijery ifotony ny zava-nisy kosa ireo zandary misahana iny faritra iny, raha ireo pôlisy misahana manokana ny zotra an-dalamby no manatanteraka ny fanadihadiana.
m.L