- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Lehilahy nampiresahana sy nampijalian’ny bibilava

Alasora : Lehilahy nampiresahana sy nampijalian’ny bibilava

Resaka bibilava mananjiny ilay raha, raha ny fitantaran’ireo mponina teny amin’iny faritra Alasora iny omaly atoandro. Lehilahy iray nikasa nivarotra ity biby ity mantsy no nifotoerany ary nasainy nanatitra azy tany amin’ny toerana nangalany azy, raha ny angom-baovao azo aloha.

Nahabe resaka sy nampitangorona olona maro teny amin’iny faritra « Domaine » Alasora iny ity tranga omaly ity. Hany ka voatery niditra an-tsehatra sy niezaka nandamina ny fifamoivoizana vokatry ny fisian’ireo olona be dia be nitangorona ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Araka ny angom-baovao tetsy sy teroa, dia lehilahy iray nahita bibilava teny amin’iny fartira iny no naka azy ireo. Toa hoe niezaka nivarotra izany tamina terantany teny an-toerana ingahirainy. Kanjo nony kelikely dia nihikiaka tampoka sy niantso vonjeo. Nitangorona ny olona. Tranga tsy dia fahita tokoa mantsy :  lehilahy mitoreo mafy, miambozona bibilava ngezabe milaza fa hampijaliana sy hiresahan’ilay biby. Hatreto aloha dia tsy fantatra na tena izay tokoa no nitranga na tsia. Araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana mantsy dia hoe marary saina ilay lehilahy, ary mba te hideradera sy hampitangorona olona fotsiny ihany. Saingy na izany na tsy izany aloha dia efa manao ny fanadihadiana izy ireo.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici