Miverina mahazo vahana indray ny fanafihana mitam-piadiana sy ny halatra môtô eto Toamasina ankehitriny. Misy ifandraisany anefa ireo tranga roa ireo,raha ny fanazavan’ny mpitandro filaminana tsy mitonona anarana, izay saika ahitana mpitandro filaminana ao anatiny, saingy mbola tsy tratra ny firaisan’izy ireo tendro hatreto aloha. Raha ny fanazavana, dia misy ireo ekipan’ andian-jiolahy no tsy manao afa-tsy ny fangalarana môtô fotsiny. Tsy izay môtô rehetra anefa no anaovany izany fa ny“Jog 100” sy “BW’s” ireny ihany. Raha mahazo ireo ekipa mpangalatra môtô dia manome izany ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana indray avy eo, ka iny no entin’izy ireo manao ny fanafihana amin’ireo toerana heverin’izy ireo fa hahazoam-bola. Eo amin’izay indray dia manana ireo mpanangom-baovaony ireto ekipa mpanao ny fanafihana, ka izy ireo no manara-maso ny toerana misy mpitandro ny filaminana, sy maka ny vaovao ny fisiana vola amina tranombarotra na fivarotana tian’izy ireo hanaovana ny halatra. Mandritra izany, dia miray tendro amin’ny mpiasa ao amin’ireo toerana efa voatily mialoha ireto ekipa na andian-jiolahy ireto. Izay no mahatonga ny mpitandro ny filaminana tato ho ato lasa manao “operation” môtô scooter indray, satria saika ao anatin’izany no hanafenan’izy ireo ny basy, ka tsy mifidy na lahy na vavy ny fisavana ary nohenjanina tanteraka, satria saika basy hofaina no ampiasaina mandritra izany ary ireo vehivavy no mpitondra azy sy mpanafina azy alohan’ny fanafihana hatao, hoy hatrany ny fanazavana azo. Ho hita eo indray izay ho vokany amin’ny fanafaizana ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana hita fa mihantsy mpitandro ny filaminana mihitsy, raha ny zava-misy eto Toamasina no jerena…
Malala Didier