- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara II : Tovovavy vao 14 taona efa niteraka telo

Toliara II : Tovovavy vao 14 taona efa niteraka telo

Tsy mampino nefa misy, noho ny fomban-tany mbola mahazo laka any Atsimon’ny Nosy dia ny fampanambadiana mialoha loatra ny ankizivavy ka mahatonga ny tera-bitro avy eo. Zazavavy vao 14 taona monina ao amin’ny fokontany Anketa any amin’ny kaominina Andranovory ,distrikan’i Toliara II, manamorona ny lalam-pirenena fahafito no manan-janaka telo amin’izao. Vita fomba ara-drazana ara-dalàna izy mivady izay vao 15 taona ilay tovolahy rain-janany no nanambady an’ity ankizivavy ity. Mamboly sy miompy no asa fiveloman’izy roa kely ireto ary hajain’ny olona eo an-tanàna. Mieritreritra ny hisora-panambadiana ara-panjakana ireto ankizy mivady ireto, raha ny fanazavana azo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser