- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNodonin’ny moto : Olona roa miady amin’ny fahafatesana

Nodonin’ny moto : Olona roa miady amin’ny fahafatesana

Lozam-pifamoivoizana roa samy hafa no nitranga, saingy mitovy tanteraka ny fisehony. Ny iray lehilahy avy namonjy karaoké teny Ivato ka hihazo ny Renivohitra no nandona rangahy 52 taona. Torana tsy nahatsiaro tena io ary hatramin’izao, dia mbola miady amin’ny fahafatesana. Omaly rahateo vao natao ny fitsirihana izay mety ho fahavoazany tany amin’ny loha ary mbola handrasana ny valin’izany alohan’ny handraisan’ny mpitsabo fanapahan-kevitra. Raha ny heno tamin’ny fianakaviany, dia mamo ilay olona nitondra kodiaran-droa. Ny faharoa indray dia teny Fenoarivo no nitranga. Noho ny fitohanana lavareny, dia nisongona avy an-kavanana ilay moto. Kinanjo nandona olona izay efa nahazo taona. Rangahy iray 74 taona indray teto no torana avy hatrany ary tsy nahatsiaro tena hatramin’izao. Nentina haingana tao amin’ny hopitalin’i Fenoarivo izy mba ho fanavotana ny ainy ary notaterina niakatra taty an-dRenivohitra nony avy teo. Isan’ny sakana izay mahataraiky ny fitsaboana ireo olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fisian’ny  « scanner »  na fitaovana fitsirihana any amin’ny hopitalim-panjakana, indrindra raha hitsirika ny any amin’ny faritra saro-pady toa ny loha. Voatery tsy maintsy mandeha any amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina izay mbola azo isaina amin’ny rantsan-tànana koa ny manana ny fitaovana. Etsy andanin’izany, matetika dia olona mandeha moto hatrany no maratra rehefa misy ny lozam-pifamoivoizana an-dalam-be. Ity kosa dia tranga mitovy ary samy moto avokoa no nandratra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici