Raha ny fantatra, dia isany manana omby betsaka eo an-tanàna ny fianakavian’ity vehivavy nalaina an-keriny ity. Taorian’ny fitakiana vola 12 tapitrisa Ariary, raha ny loharanom-baovao voaray, dia navosotry ny roa lahy nitazona an-keriny azy, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny folo ora, tsy lavitra ny tanànan’i Tsimandaingo, any amin’ny Fokontany Tanimbaritsara Sud, Kaominina ambanivohitry Mahazomà, Distrikan’i Maevatanàna ilay ramatoa manodidina ny 30 taona izay bevohoka be efa miandry andro ho teraka, nalain’ny dahalo an-keriny tao an-tranony, nandritra ny fanafihana nitranga tao Tanimbaritsara Sud, ny alin’ny talata teo tokony ho tamin’ny valo ora. Rehefa nofotorana lalina ity ramatoa natao takalonaina votsotra ity, dia nitantara ny zava-nanjo sy nihatra taminy, ary nilaza ilay renim-pianakaviana fa olona mpiray an-tanàna aminy ihany izay fantany endrika ny sasany tamin’ireo naka an-keriny azy. Araka ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola eo am-pikarohana fatratra an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa