- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana tovolahy tao Sakaraha : Zandary  4 naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara

Famonoana tovolahy tao Sakaraha : Zandary  4 naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara

Taorian’ ny famotorana sy fanadihadiana natao teo anivon’ny Zandarimaria sy ny Fitsarana tao Toliara, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ireo Zandary  efatra ; izay voarohirohy ho nanao herisetra ka nitarika fahafatesana tovolahy iray tany Sakaraha, ny alatsinain’ ny Paska teo. Nanatitatitra ny avy eo anivon’ny Zandarimaria, araka ny fampitam-baovao, fa tsy misy ny tsimatimanota, tsy maintsy ampanjakaina ny lalàna velona hanatanterahana ny teny filamatra « Tanindrazana sy lalàna », ary na iza na iza dia tohizana hatrany ny fanadiovana anatin’ny Zandarimaria mba ho an’ny fahalemana sy ny tombontsoa iombonana. Natao ihany koa izao, hoy hatrany  ny avy ao amin’ny Zandarimaria mba ho anatra hoan’ ireo mpiara-miasa alaim-panahy mbola mandika lalàna. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, dia efa tafakatra 34 ny isan’ireo Zandary nampidirina am-ponja nandritra ny telo volana farany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici