Tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany, ny zoma teo, dia tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray no notafihan’ny andian-jiolahy efatra tsy nisaron-tava. Nitondra basy poleta izy ireo sy moto scooter roa ihany koa. Vao niditra ireto andian-jiolahy dia nanapoaka ny basy teny aminy avy hatrany, ka ramatoa iray no naratra mafy vokatr’izany. Efa notsaboiana ity ramatoa ity, ilay lehilahy niaraka taminy koa no noteren’ireo andian-jiolahy namoaka ny vola, ka very tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary, vola maty nandritra ny tapak’andro. Fotoana maha-be mpanjifa an’ity tranombarotra mpamongady ity ny andro zoma noho ireo fivarotana zava-pisotro mamatsy ny fivarotany ny faran’ny herinandro rehefa zoma tahaka ny omaly ity. Vao nahazo ny zavatra nilainy ireo andian-jiolahy efatra dia nitsoaka nanao taingin-droa tamin’ny moto efa niandry azy ireo teny ivelany, ary tsy hita izay nalehany taorian’izay. Tonga ara-potoana ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny hery vonjy taitran’ny polisy nahitana ny UIR sy ny FIP nijery ny zava-misy, saingy efa tsy hita ireto andian-jiolahy nitsoaka tamin’ny ora nanenjehana azy ireo. Efa tena mihatra aman’aina ny tsy filaminana eto Toamasina nanomboka ny andron’ny paska teo ka hatramin’izao. Saika ahitana trangam-panafihana hatrany eto Toamasina isan-kerinandro izao, ka ny tranga farany talohan’izao tranga tao Ankirihiry izao dia ny fanafihana tranombarotra mpamongady zava-pisotro iray tao Anjoma P/elle 23/23. Izay nahaverezaka vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary ihany koa tamin’izay. Ho hita eo ny tohiny fa tsy maintsy ho tratra ireo mpanafika ireo hoy ny FIP…
Malala Didier