- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasapito : Vazaha hifa faty nihantona

Ampasapito : Vazaha hifa faty nihantona

Teratany frantsay izy ary manodidina ny 50 taona. Nipetraka tao amin’ny hotely iray etsy Ampasampito izy, tao anatin’ny andro maromaro. Ny zoma teo, efa tapitrany fetr’andro nahafahany mipetraka tao. Efa nosokafan’ny hotely arak’izany ny efitranony mba hahafahana manadio an’izany. Teo no hita ilay vatana mangatsiaka izay nihantona tamin’ny tady ny tendany. Tao amin’ny efitrano fidiovana izy no hita faty. Nisy valopy roa samy hafa hita tao amin’ilay efitrano. Ny voalohany dia mahakasika ny hetahetan’ny farany (mes dernières volontés) aorian’ny fahafatesany. Ny faharoa kosa dia natolony manokana ho an’ny mpitandro ny filaminana, izany hoe na ny polisy na ny zandary izay hanokatra fanadihadiana. Fantatra fa ny Brigade Criminelle etsy Anosy no hanatontosa an’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici