Ravan’ny polisy ao amin ‘ny « poste de police » Antaniavo, ny alahady tamin’ny iray ora maraina ny tambazotran-jiolahy mpanendaka eny Ankazomanga Atsimo. Antson’ny mpitondra fiara saika voaendaka teo amin’ny Pharmacie, ny sabotsy alina teo no niandohan’ny fisamborana. Mbola teo amin’ ilay toerana voalaza ny tovolahy telo ka voasambotra avy hatrany na niezaka nampiseho karatra maha-mpanao gazetin’ny fahitalavitra iray azy. Fantatra tamin’ny famotorana azy iny alina iny ihany, fa ry zareo koa no nanendaka ny mpitondra moto roa lahy. Nisy telo hafa koa, izay mbola anatin’ilay tambajotra, nanao fanakanana fiara. Nalain’ny polisin’Antaniavo tany an-tranony omaly maraina ireo namany nitahiry ny moto ireo sy ny zavatra nangalariny ka tratra daholo izy rehetra amin’ izao fotoana izao. Nilaza ny tompon’andraikitra tao amin’ny fahitalavitra fa mpiambina tao ny asan’ilay lehilahy voasambotra, saingy efa tsy miasa ao intsony. Na izany aza, nahoana moa no asiana soratra « Presse » ny karatra maha-mpiasa izay omena ny « Sécurité » ?. Samihafa tanteraka ny karatra maha-mpanao gazety sy ny karatra maha-mpiasan’ny orinasa. Mila manaiky izay fanovana izay avokoa ny orinasan-gazety mba hahafahana manomboka ny ady amin’ny mpisoloky sy ny olon-dratsy ao anatiny. Tsiahivina, fa vao tamin’ny zoma teo no nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny Holafitry ny mpanao gazety niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana, mba hiadiana amin’ny fandotoana ny asa toy izao.
T.M.