Taorian’ny fifadonana tamin’ny Zandary, ny alakamisy teo, tany Ambato-Boeny, dia tafatsoaka i Tsaramiandry Velonaina Mahatombo Fernand antsoina hoe : Zaman’i Fola,lehiben-dahalo rain-dahiny mpanao fankàna olona an-keriny sy mpangalatra omby ikoizana any amin’ny Faritra Betsiboka, izay efa nokarohina fatratra an-taonany maro. Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitra-po, ary rehefa nanao ny fisavana ifotony sy velam-pandrika ny Zandary, dia voasambotra ny alin’ny asabotsy teo, tamin’ny 9 ora sy sasany, i Zaman’i Fola izay tratra tao anaty taksiborosy tao Maevatanàna raha niainga avy tany Ambondromamy ity lehiben-dahalo nitam-basy nitsoaka ity.Tra-tehaka teny amin’ny Zaman’i Fola tamin’ny fotoana nisamborana azy ihany koa ny basy mahery vaika « kalachnikov » iray niaraka tamin’ny « chargeur » roa sy bala maromaro ary odigasy izay voamarin’ny mpitandro filaminana fa avy nampiasaina ny andron’ny fifandonana, ny 2 mey teo.
Taorian’ny fahatratrarana an’ity lehiben-dahalo ity, dia nahazo vaovao hatrany avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Zandarimaria mikasika ny zohy sy kizo fieren’ireo dahalo naman’ny Zaman’i Fola, ka afak’ omaly naraina ihany tamin’ny efatra ora, dia nanao fidinana ifotony avy hatrany tao Belavenona Fokontany Antsapanana Anosikely, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Tsararano, Distrikan’i Maevatanàna ny mpitandro filaminana, ka tra-tehaka tao tokoa ny dahalo miisa dimy (lehilahy 3, vehivavy 2) niaraka tamin’ ireo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basim-borona « double cannon » ary bala maromaro fampiasan’ireo olon-dratsy.
Eric Manitrisa