- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversPort-Berger : Voasambotra ilay lehilahy iray nilaza ho lietinà.

Port-Berger : Voasambotra ilay lehilahy iray nilaza ho lietinà.

Noraisim-potsiny, tany Port-Berger, tamin’ny alatsinainy heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, ilay lehilahy iray nilaza fa manamboninahitra lietinà avy amin’ny Tafika, ary nolazainy fa mamita iraka hisambotra olona mpaka an-keriny, any an-toerana izy. Loharanom-baovao avy amin’ny olona any an-toerana no nampandre ny Zandarimaria ka avy hatrany dia nidina nijery ny zava-misy ireo mpitandro ny filaminana. « Rehefa voasambotra izy dia natao famotorana ka teo no niaiky ny tenany fa tsy miaramila mihitsy ary tsy misy ifandraisana amin’ny tafika. Hevitra nentiny nampihorohoroana  olona iray izay nolazainy fa atidohoa nikotroka fakana an-keriny no voalazany fa antony namoronany io hevitra io, » hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana. Voatazona ao amin’ny tobin’ny Zandary any Port-Berger io mpisandoka io.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici