- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Nifamely totohondry ny mpitandro filaminana

Alasora : Nifamely totohondry ny mpitandro filaminana

Andaniny, pôlisy. Ankilany, zandary. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, ny alahady teo, no nisy polisy iray izay niditra tao amin’ny toeram-pilanonana teo Alasora. Nisy vehivavy izay notakiany taratasy, kara-panondro, tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky io vehivavy io, satria olona manao fanamiana sivily, izany hoe sivily mitovy aminy, izany no fieritreretany azy hany ka tsy manan-jo ny hifampitaky taratasy famantarana. Nilaza ho sefon’ny paositry ny mpitandro ny filaminana ilay polisy, raha araka ny fanazavana azo. Niakatra ny feo ary dia tonga hatramin’ny saika fifampikasihan-tànana teo amin’ny lahy sy ny vavy, samy tsy nisy nanaiky ny roa tonta mantsy. Tsy niteny hatramin’ny farany ary tsy nanome taratasy famantarana azy ilay vehivavy. Niantso an-telefaonina tany amin’ny toeram-piasany izy manoloana ny zavatra nitranga ary nangataka ny mba handefasana olona hanampy azy hamehy ny olana. Vetivety, dia tonga ny zandary iray fiara izay miandraikitra iny fari-piadidiana iny. Zandary avy etsy Mahamasina izy ireo raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Fantatra koa, fa ofisie ilay polisy izay voakasiky ny raharaha. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. Tsy nizotra tany amin’ny filaminana anefa izany, satria mbola samy nentim-po. Tonga hatramin’ny fifampikasihan-tànana teo amin’ny zandary iray sy ilay polisy. Samy naratra izy ireo ary samy nitatitra ny zava-nisy tany amin’ny vondrona hiasan’izy ireo. Vetivety dia nahoraka ny zava-nitranga ary niely mihitsy ny feo ho nifampitifitra ny polisy sy ny zandary. Tsy nisy izany, raha nanontaniana ny roa tonta. Ny totohondry kosa dia tena nisy. Raha ny fijery ity raharaha ity, dia afaka nifandamina ihany ny roa tonta ary tsy tokony ho tonga tany amin’ny fifampihantsiana sy fifampikasihan-tànana. Ny iray afaka nilaza ny momba azy, dia namoaka karatra ary nisava tsotra. Ny faharoa afaka nilaza koa fa zandary dia namoaka karatra mangataka ny tsy hosavaina. Saingy tsy misy azo atao na inona na inona izany ny fiheveran’ny roa tonta rehefa manana ny karatra maha-mpitandro ny filaminana. Tranga toy izao dia hahafahan’ny tsirairay maka lesona, indrindra raha samy eo anivon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana ; izay voalohany tokony ho voafehin’ny lalàna sy ny etika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici