- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Mpivaro-mandeha nisy nanolana

Vohémar : Mpivaro-mandeha nisy nanolana

Renim-pianakaviana iray sahabo ho 40 taona eo no naolan’ny tovolahy iray, tao amin’ny hotely nivantany, tany Ampanefena, distrikan’i Vohémar, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo. Raha ny vaovao voaray, dia tratra alina sendra namonjy tsena tao Ampanefena ity ramatoa mpivarotra makamba avy an’i Vohémar ity, ka tsy tafody ary voatery nanofa efitrano fatoriana tamina hotely iray tany an-toerana. Tamin’ny 11 ora alina anefa, dia nisy tovolahy iray izay voalaza fa zanaky ny tompon’ny hotely niditra nitsaitsaika tao amin’ny efitrano natorian’ ity ramatoa mpivaro-mandeha ity. Niharan’ny daroka sy vono. Rehefa tafiditra tao an-trano ity tovolahy nitondra zava-maranitra, dia nandrahona ho faty an’ilay vehivavy. Noho ny tahotra ny ho faty, nanoloana ny antsy lavalela niendrika sabatra, dia tsy sahy/tsy afaka niantso vonjy ramatoa, fa voatery nanaraka ny sitrapon’ilay mpanolana azy. Raha ny fanazavana azo hatrany, tsy vitan’ny naolana tamin’ny fomba mamohetra ity renim-pianakaviana ity, fa mbola niharan’ny daroka sy vono ihany koa ka naratra mafy. Rehefa nahatsiaro tena izy nony naraina ny andro, dia namonjy ny biraon’ny mpitandro filaminana, ary nametraka fitoriana. Ny andron’io ihany dia nosamborin’ny Zandary natao famotorana lalina ilay tovolahy nahavanon-doza.

Nangonin’i Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici