- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : « Motopompe » an-jatony an’i FAO nisy nivarotra

Antohomadinika : « Motopompe » an-jatony an’i FAO nisy nivarotra

Mitentina eo amin’ny 200 tapitrisa ariary latsaka eo no tetibidin’ireto entan’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny sakafo, nisy nanodikodina ary nokasaina amidy tetsy Antohomadinika. Fitaovana mpisintona rano na « moto-pompe » miaraka amin’ny kojakojany an-jatony isa any ho any. Ny talata tolakandro teo no nahazo loharanom-baovao ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenana fa misy olona mikasa fitaovana marobe mampiahiahy teny amin’iny faritra Antohomadinika iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo ka lehilahy iray tokony ho 41 taona no sarona. Moto-pompe maromaro no tratra teny aminy izay voalaza fa handeha hamidiny. Rehefa natao anefa ny fisavàna dia tsy nahitàna taratasy mazava milaza ny fiavin’ireo entana ireo ingahirainy. Nogiazana avy hatrany moa ny entana ary nentina natao famotorana ity lehilahy ity. Tamin’izany indray no nilazany fa entana nangalariny teny Itaosy ireo entana ireo ary mbola misy hafa tany an-tranony. Natao avy hatrany ihany koa ny fisavàna ny tranony teny Antohomadinika ary mbola nahatratrarana izany fitaovana izany miisa teo amin’ny 105 tao aminy, niaraka tamin’ireo fantsona isan-karazany ampiasaina aminy. Rehefa nirosoana lalindalina moa ny famotorana azy dia fantatra fa « entana tafiditra ao anatin’ny « marché »n’ny FAO, saika halefa any Ambovombe sy Taolagnaro ary Amboasary izy ireo » saingy tsy tody tany amin’ny toerana tokony hitondràna azy, hoy ny fampitam-baovao. Voalaza fa mitotaly eo amin’ny 195 510 000 ariary any ho any ny vidin’ireto fitaovana ireto. Taiza ho aiza araka izany no voahodina ireto entana ireto ary iza no tao ambadika ? Voalaza moa fa mbola tsy mijanona hatreo ny fanadihadiana fa mbola mitohy ka inoana fa tsy hoe ela dia ho fantatra ny valin’ireo fanontaniana ireo. Raha ny mikasika ireo fitaovana kosa dia nambara fa efa voaverina amin’ny tompony. Heverina araka izany fa mbola mety ho tonga any amin’ireo faritra saika nitondràna izany ihany izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici