Tsy notifirina akory na dia nifanenjehana aza. Saingy kosa matin’ny sabatra nentiny. Ny alin’ny talata teo, manodidina ny tamin’ny valo ora alina, no nisy ilay fahafatesana. Nitsoaka tao anaty elakelan-trano antsoina hoe « axe du mal » eny Ampefiloha-Ambodirano, toerana izay mihazo an’Ampasika raha mitsofotsofoka, ny roa lahy raha vao nahita ny polisin’ny UIR. Teo dia raikitra ny fifanenjehana ary tao anatin’ny fikoropahana no nianjera ny iray tamin’ireo jiolahy. Ratsy fianjera anefa ka ny sabatra teny aminy ihany no nanindrona ny tenany. Feno rà ny vatany ary tsy tana intsony ny ainy. Ilay iray namany kosa tafaporitsaka tao anatin’ny haizina. Raha araka ny fanazavan’ny polisy dia avy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy ireo manoloana ny antso azo fa nisy herisetra miaro fanendahana. Teo no nifanena tamin’ny olona roa izay nampiahiahy ny fihetsiny. Narahin’ny polisy nanao fanamiana sivily ireo, saingy nitsoaka avy hatrany raha vao nahita elakelan-trano maizina. Teo amin’ny tratrany no nitsofoka ny sabatra ary nitarika ny fahafatesany avy hatrany. Ny zavatra tsara dia efa manomboka miditra elakelan-trano ny mpitandro ny filaminana ary manaraka ao anaty haizina. Izany no andrasan’ny olona, satria amin’ny toerana mitovy amin’ireo hatrany matetika no tena anjakan’ny mpanao ratsy, kanefa tsy misy sahy manohitra izy ireo raha vao tafiditra any. Mety ihany koa ny fandefasana mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ary tena tokony hohamafisina aza izany fepetra izany raha tena hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Manana mpitsikilo maro mantsy ny jiolahy ary hainy avokoa ny misy ny toerana izay misy ny mpitandro ny filaminana raha vao manao fanamiana.
D.R