- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpivady ikoizana amin’ny halatra lavanila, saika nodoran’olona velona

Mananjary : Mpivady ikoizana amin’ny halatra lavanila, saika nodoran’olona velona

Rehefa nokarohana nandritra ny roa andro ny mpivady nangalatra lavanila maitso iray « sac à dos », tao amin’ny Fokontany Andranomavo II, Kaominina ambanivohitr’ Antsenavolo, Distrikan’i Mananjary, ny alatsinainy teo, dia tra-tehak’ireo vatan-dehilahy mpanara-dia  70 izay nirongo antsy sy lefona, ramatoa, afak’omaly, raha tafaporitsaka tao anaty fifanenjehana kosa rangahy vadiny, ka mbola karohina fatratra atao hazalambo amin’izao. Tamin’ny fotoana nahatrarana an’ity ramatoa ity, dia sarona hita teny aminy niaraka tamin’ny lavanila avy nangalarina ny saron-tavam-badiny, izay fitondran-drangahy manao ny asa ratsy.

Manjaka ny kolikoly. Noho ireto mpivady voalaza fa mpamerin-keloka sy ikoizana amin’ny halatra lavanila manta eny an-tsaha, saingy rehefa voasambotra izy ireo dia tafavoaka hatrany, hoy ny vaovao voaray, dia tezitra ny vahoaka ka saika hamono sy handoro an-dramatoa, nefa niditra an-tsehatra haingana nandamina ny toe-draharaha ireo olom-be an-tanàna to teny sy ny avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena mpiaro ny zon’olombelona any an-toerana. Raha ny nambaran’ny solontenan’ireo mpamboly avy any Andranomavo II tamin’ny mpanao gazety, fa saika efa lasan’ny mpangalatra avokoa ny vokatra lavanila ao amin’ ity Fokontany ity, nefa votsotra foana ireo mpangalatra tratra noho ny kolikoly misy, ka voatery ny Fokonolona miroso amin’ny fitsaram-bahoaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici